Andriamamonjisoa Rolland Pascal

> Mila apetraka ny rafitra mazava momba ny VIP


  • Zoma 14 Martsa 2014

Tsy mahagaga raha tsy misy fiantraikany any amin’ny fiainam-bahoaka mihitsy ny politikam-pampandrosoana tian’ny mpitondra fanjakana foibe hotanterahana eto amin’ny firenena, hoy Andriamamonjisoa Rolland Pascal, filohan’ny fikambanana Zanabahoaka eny Antohomadinika III G Hangar.

Iarahantsika mahita sy manaraka io mantsy ny zava-misy eo anivon’ireo andrim-panjakana nofidin’ny olom-pirenena azo ambara fa tokony ho modely sy ho fitaratra amin’ny fomba fisainana sy ny fomba fiasa. Tena manadino tanteraka ny adidy miaraka amin’ny andraikitra izay napetraky ny mpiara-belona tamin’izy ireo hatrany mantsy ireo olom-boafidy isan-tsokajiny rehefa tonga eo amin’ny toeran’ny manampahefana satria variana loatra amin’ny adilahy politika sy ny fitakiana tombontsoa mihoapampana. Io tranga io foana no niverimberina teo amin’ny tantaram-pirenena malagasy ka mila hitondrana vahaolana, hoy ny fanampim-panazavany. Iray amin’ireny ny fametrahana rafitra mamaritra mazava ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana, hoy ity lehiben’ny Fokontany an-taonany maro ity. Tokony hodinihana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ohatra, ary havoaka ho lalàna ny momba ny fifidianana ireo filoham-pokontany fa tsy mety amin’izao vanim-potoana iainantsika izao intsony ny fanendrena olona miainga avy amin’ny rafitra ambony. Ny fiarahamonina eny ifotony mantsy no tena mahita ny fahoriana manjo azy isan’andro ka tokony homena azy ireo ny zo malalaka hisafidy ireo olona tiany hitantana ny Fokontany izay afaka hitondra ny hetahetan’izy ireo eo amin’ireo ambaratongam-pahefana isan’antanan-tohatra. Mieritreritra ny hanatitra taratasy volavolan-dalàna momba izany eny Tsimbazaza moa ity fikambanana mikarakara ny sehatra sosialim-bahoaka ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT