Nanantanteraka fanakatonana trano lehibe misy rihana roa, ana teratany vahiny, miorina eny Andrefan’i Mananjary Boriborintany faha-4 ny teo anivon’ny Tanŕnan' Antananarivo omaly.
Efa tamin’ny 29 desambra taona 2015 no nahazo ny fitarainana ny teto anivon’ny tanàna momba ny fisian’ilay trano noho ny tabataba amin'ny alina, ny vato sy simenitra miparitaka amin'ny manodidina ...
Taorian’ny fitsirihana nandritra ny fotoana maro nataon’ny CUA dia tsy ara-dalàna tanteraka ny fotodrafitrasa satria tsy nahitana baorina manamarina ny trano sy ny tany, tsy misy fahazoan-dalana hanorina ary ny tena loza dia miorina eo ambonin’ny lakandrano ny trano. Natsahatra avy hatrany ny fanamboarana ny trano mandra-piandry ny didy farany havoakan’ny Fitsarana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.