Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-basy ny Fiangonana katolika ao Andranovory-Toliara ny alin’ny sabotsy 6 aogositra tamin’ny 10 ora alina
. Namantana tao amin’ny tranon’ny mompera ireo jiolahy. Nisy lakolosy roa nesorina tamin’ny toerany ka napetraka tao rehefa nisy nangalatra tamin’ny 24 jolay 2016 ny fahatelony tamin’ny lakolosin’ny fiangonana. Ireo lakosy no norobain’ireo jiolahy. Nandritra izany no nitifiran’izy ireo an’i mompera Tsanganany Maximin, “Aumonier” an’ny fikambanana “Garde d’honneur” an’ny Sacré-Coeur eo anivon’ny Diosezin’i Toliara. Voa teo amin’ny tratrany ilay pretra. Bala madinika miparitaka no niantefa taminy ka nandratra azy. Nentina novonjena haingana ao amin’ny hôpitaliben’i Toliara izy. Mbola ao amin’ny efitra fameloman’aina izy ny alahady alina. “Efa mahatsiaro izy. Tsy dia ahiana ny ainy”, hoy ireo pretra namany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.