Actualités

Andranomena Misy “Foroches” koa ?


  • Talata 12 Jolay 2011


 Ny sabotsy lasa teo no nisy nanosika tao an-tanimbary ity tovolahy iray ary nodarohana sy nendahana ny entana teny aminy. Lasa tamin’izany ny sakosy sy ny finday teny aminy. Niandry “bus” takariva ity tovolahy ity tamin’io no nisy andian-jatovo mody niandry “bus” niaraka taminy no nanasa azy hikisaka teo alohaloha hiandry izany “bus” izany. Tsy nanampo ary ity tovolahy fa avy hatrany dia nisy nanosika azy tany an-tanimbary, ka tao izy no nodarohan’izy ireo. Ankizy lahy kely eo amin’ny 8 ka hatramin’ny 15 taona ny ankamaroan’izy ireo ary nisy olon-dehibe ihany koa. Mihamaro ankehitriny ireo zatovo lahy miditra amin’ity asa ratsy ity ankehitriny, manao fihetsika “Foroches”. Efa maro ireo tafiditra am-ponja, saingy tsy mahasakana ny sasany hanao ihany izany.

 

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT