Voavidin’izy ireo ny tany, mirefy 1400m2 eo, eny Andranomena Ankadikely Ilafy. Ananany porofo ara-taratasy mazava, ary efa nahazoana “titre” tany amin’ny sampandraharahan’ny fananantany.
Manana taratasy mazava ara-panjakana (titre, Certificat de situation juridique, …) koa ny mpandova nividianan’izy ireo ny tany tamin’ny 2001. Taty aoriana anefa dia nisy olom-baovao nipoitra ary milaza fa izy no mpandova io tany novidian’ity fianakaviana ity. “Acte de notoriété” teny amin’ny Kaominina no nentin’ity mpandova vaovao ity. Nitondra vavolombelona efatra izy tamin’ny nanamboarana azy, nanamarinany fa izy no mpandova ny tany. Ny mahagaga dia lehilahy, izay manan-janaka roa, mianadahy, ary efa maty tamin’ny 1915 no misoratra ara-dalàna amin’ny tany teo am-piandohana. Ireto vavolombelona efatra naseho ireto anefa dia 20 taona mahery aty aorian’ny nahafatesan’ilay tompon’ny tany vao teraka.
Mazava fa sady tsy nahita maso satria tsy mbola teraka akory no tsy nahalala velively ny tompon’ny tany, ka mampisalasala ihany ny fomba nahazoana ilay “Acte de notoriété”. Ankoatra izay, rehefa nataon’ilay fianakaviana mpividy ny tany ny fikarohana ny antontan-taratsy rehetra hamantarana ny tetiharan’ity mitonona ho mpandova nipoitra taty aoriana, dia tsy nahitana taratra izay mety ho fifandraisana amin’ilay rangahy tena tompon’ny tany, maty tamin’ny 1915. Ireo taratasy fanamarinana avy amin’ny “Domaine” eny am-pelatanan’ilay fianakaviana mpividy, ary tompon’ny tany ara-dalàna ankehitriny, aza tsy mahalala ny fisian’io mpandova vaovao io. Nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana anefa ity farany, ary ny mahagaga amin’ity raharaha ity dia teo amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ihany izy no resy fa dia nandresy foana hatrany amin’ny fitsarana tampony tamin’io “Acte de notoriété” mampiahiahy io.
Fisolokiana avy hatrany no nandraisan’ny mpividy ny tany ny zava-mitranga. Avo lenta tokoa ary anaty tambajotra matanjaka raha ny fahitana azy. Na izany aza dia niezaka nitady marimaritra iraisana, handaminana am-pihavanana ny raharaha ny mpividy ny tany, saingy araka ny fantatra dia vola be 50.000Ar isaky ny m2 no takian’ilay mpandova vaovao, miampy fandoavana ny karaman’ny vaditany 4 tapitrisa ariary sy ny hofan’ny bulldozer handravana ny tanàna, izay nokasain’ilay mpandova vaovao io, hotanterahina omaly.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.