Vonona tanteraka ny hiaro ny orinasa Tiko Andranomanelatra ireo vahoaka any an-toerana.
Tsy vazivazy fa dia tonga maro tokoa izy ireo araka ny fanentanana teny an-kianja ny sabotsy 09 jona lasa teo. Anisan’ny nampirisika ireo vahoaka ihany koa ny fahitana ireo mpikambana avy ao amin’ny kongresin’ny tetezamita sy ny mpitolona marobe avy aty Antananarivo tonga nanatevina ny hetsika. Nambaran’ny CT Ravololofanja avy ao Analamanga fa tsy afaka ny hijery fotsiny ny fanapotehana ny orinasan’ny filoha Ravalomanana izy ireo satria na tsy voafidim-bahoaka aza dia natao kosa hiaro ny tombotsoam-bahoaka. Maro mantsy no nivelona tamin’ity orinasa ity ary ireo tantsaha no maro an’isa tamin’izany. Raha Hendry ny FAT, hoy ihany ity mpanao politika ity dia ny famoronana asa ho an’ireo olona marobe very asa noho ny fikatonan’ny orinasa afaka haba vokatry ny fahatapahan’ny Agoa no ataony fa tsy ny famotehana ny orinasa malagasy toy izao.
Mbola nandefa hafatra ho an’ny lehiben’ny faritra ny tenany. Nolazainy fa tomponandraikitra amin’ny fiarovana ity orinasa ity koa izy satria tombontsoan’ny faritra ny fiorenan’izany ao Vakinankaratra ary anisan’ny mitondra ny lazan’antsirabe ny fijoroany. Fa tazana tao Andranomanelatra ihany koa ny CT Razanatasy Charline avy any Ambato Boeny. Nanamarika izy fa famotehana ireo tantsahan’I Vakinankaratra izao fikasan’ny FAT hangeja ny Tiko izao. Aminy dia mila mandray fepetra haingana ny Governemanta mba tsy hitaran’ity resaka ity ho gidragidra. Nanamarika moa ny tenany fa mahafaly ny FAT ny manome tombontsoa ireo vahiny toy ny karana manafatra sy mampiditra entana tsy fanta-piaviana avy any andafy noho ny mihinana ny vokatra tsara vita malagasy eto an-toerana. Nambarany fa ataon’ny olona fanariana fakofakon’entana ny malagasy fa tsy natao hihinana vokatra mahasalama. Nanamafy ireto mpikambana CT ireto fa tsy hiala eny Andranomanelatra mihitsy raha tsy milamina ity raharaha ity. Hiaraka hatrany amin’ireo vahoaka izy ireo mandra-pilamin’ny raharaha..
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.