“Tsy hiato ny fiambenena ny orinasa Tiko raha tsy mahazo toromarika avy amin’ny mpitarika ny Movansy Ravalomanana izahay”, hoy ny CT Randrianasolondrabe Eric avy any amin’ny faritra Sofia teny Andranomanelatra raha nanontaniana ny mety hiafaran’ity hetsika ity ny tenany.
Nambarany sy nohamafisiny fa ny orinasan’ny Karana sy ny Vazaha avela hanjakazaka eto kanefa ny an’ny Malagasy potehina. Tsy azo ekena izany, hoy ihany izy. Anisan’ny nambarany ihany koa fa famotehana ara-politika ny filoha Ravalomanana ity fikasana hanao barofo ny fananany ity. Raha ny resaka mandeha dia voalaza fa efa fantatra ny mpandraharaha tadiavina homena ny orinasa. Nohamafisin’ny CT Randrianasolondrabe Eric fa ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra dia mitaky fametrahana fitoniana kanefa ny fisisihan’ny FAT amin’izay fanagiazana ny Tiko dia firosoana amin’ny gidragidra eto Madagasikara amin’izay ka midika ho firodanan’ny fanjakan-dRajoelina. Miantso ny Malagasy, indrindra ny mponin’i Vakinankaratra moa ny tenany mba ho saro-piaro amin’itony haren’ny faritra itony satria taratry ny fandrosoana izany ary nambarany fa na ny any amin’izy ireo aza dia efa nanantena fandrosoana tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana saingy sendra ny mpanongam-panjakana ka tsy ekena intsony ny mbola hamotehana izay kely sisa mba mijoro. Raha ny zava-nisy omaly moa dia tsy mbola nisy ny fanakatonana sy fanagiazana ity orinasa ity saingy tazana teny an-toerana ireo iraky ny mpitandro filaminana avy ao Antsirabe naka sary ireo sorabaventy maro tao Andranomanelatra. Tazana nandalo natetika teny an-toerana ihany koa ny lehiben’ny mpitandro filamianana mijery ny fihetsiketsehana teny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.