Actualités

Andranomanelatra Antsirabe Maty latsaka tao anaty lava-drano izy mianaka


  • Talata 02 Aogositra 2022

Fahoriana mangeroka no nitranga tao Andranomanelatra Antsirabe afak'omaly alahady 31 jolay.

Zazakely iray vao 2 taona monja no fantatra fa nandeha ka nitsorapaka tany an-dava-drano tao an-tokontaniny izay fantatra fa tsy nisarona hoy ny vaovao. Latsaka avy hatrany ity zaza ity ka niezaka ny nanavotra ilay tsy manan-tsiny ny Reniny. Nandritra izany ihany koa anefa no tsy tafavoaka ity farany na dia nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ka samy namoy ny ainy izy mianaka. Izy mianaka efa natsingevan'ny rano no nisy nahita. Miantso hatrany ny rehetra mba hitandrina indrindra fa ireo manan-janaka madinika araka izany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Nangonin'i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT