Actualités

Andranomanelatra Antsirabe II Niatrana ny mponina sy ny mpiasa


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Vao maraina dia efa vory maro teo anoloan’ny vavahadin’ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra Antsirabe II ny mpiasan’ny Tiko sy ireo mponina manodidina, nohatevenin’ireo olona avy ao Antsirabe rehefa nahare fa hisy indray ny fanagiazan’ny fanjakana ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

 Raha ny zava-nisy teny an-toerana dia efa nametraka sakana maro ireo mponina sy mpiasa ireo ary nanomboka ny fandorana kodiarana isan-karazany. Rehefa tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo moa dia nigadona teny an-toerana ireo OMC, tompon’andraikitry ny filaminana, izay notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Vakinankaratra ary ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, mba hidinika amin’ny tompon’andraikitry ny orinasa (hono). Niezaka nanazava tamin’ireo mponina sy mpiasa izy ireo fa tsy hisy ny fanakatonana ity orinasa ity fa karazana “inventaire” fotsiny ihany no hatao ka tsy ilana sakana sy fandorana kodiarana toy izao ary hiresaka amin’izay tompon’andraikitry ny orinasa izy ireo mba hampandroso ny solotenam-panjakana hanao ny asany. Horakoraka moa no namalian’ny mponina izany.

Tsy nihambahamba ireo solontenan’ny mpiasa nilaza fa “fitaka be vava izao ataonareo izao, satria efa nitranga ny toy izao tany amin’ny TOP II sy ny MANA tany Toamasina kanefa dia nopotehina ny orinasa, ary tsy nisy nilaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fanjakana. Izao indray dia izay mba tavela kely eto Antsirabe no tadiavina hopotehina”. Raha ny zava-nisy dia efa niakatra tanteraka ny maripana ka niezaka nandamina ireo mponina ny Ben’ny tanànan’Andranomanelatra. Taorian’izay vao tafiditra tao anatin’ny faritry ny orinasa ireo tompon’andraiki-panjakana ireo. Raha ny fantatra dia mbola hifamotoana ao Andranomanelatra hatrany ireto mponina ireto anio. Efa fantatra mantsy ny fomba fiasan’ny FAT amin’ny fidirana an-keriny an-tanànan’olona izay efa mateti-pitranga. Nilaza izy ireo fa ho mailo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT