Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, dia misy ny didy navoakan’izy ireo tsy ahazoan’ireo olona 7 lahy voatana am-ponja vonjimaika, voarohirohy tamin’ilay raharaha andramena tratra tao Imorona Mananara Avaratra ary nentina ao Toamasina mifandray aman’olona. Ny antony dia mba tsy hisian’ny fiovan’ny fahamarinan’ilay raharaha izay mbola tena misaritaka tanteraka ankehitriny, satria mbola misy anaran’olona hifampitadiavana tokony hiakatra fitsarana voasaringotra anatin’ilay raharaha. An-kilan’izay, nambaran’ny lehiben’ny fonja ao Toamasina fa voakarakara ara-dalàna ireo Tanzanianina 12 voafonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy, noho ny fikasana haka andramena tao Analanjirofo sy fidirana an-tsokosoko ny sisin-tany Malagasy tsy nahazo alalana. Afaka mifandray amin’ireo havany any Tanzania izay efa nampahalalan’izy ireo ny fifonjany ao Toamasina izy ireo ; eo koa ny fanampiana ataon’ireo teratany arabo ao Toamasina azy ireo ara-tsakafo ankoatra ny vidian’izy ireo amin’ny volany manokana. Ny fantatra, araka ny fanazavana, dia marary lava ireto Tanzaniana ireto noho ny tsy fahazakana ny zava-misy iainan’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.