Andramena tratra tao Toamasina

> Olona fito notanana am-ponja vonjimaika


  • Alarobia 19 Febroary 2014

Omaly misandratr’andro no niakatra teo anivon’ny fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny antontan-taratasin’ireo andramena miisa 398 tratra tao Imorona Mananara Avaratra.

Raha avy namaky ny antontan-taratasin’ady ny tonia mpampanoa lalana, dia nanolotra izany nanaovana ny fanadihadiana teo anivon’ny lefitra faharoany. Tafiditra amin’ny heloka tratra ambodiomby ny raharaha, ka ny fampanoavana avy hatrany no nisahana azy sy nanao ny fanadihadiana rehetra. Raha ny fanazavana nomen’ny tonia mpampanoa lalàna dia olona fito izy ireo, ka ny enina dia ireo mpanamory sy mpiasan-tsambo nitondra ny andramena tratra, ny fahafito kosa dia olona nilaza ampahibemaso fa tompon’ny andramena. Nolavin’ity farany ny filazana fa i MJE no tompon’ireo andramena ireo. Nomarihany sy nohamafisiny ary nasainy noraketina an-tsoratra mazava fa azy tanteraka ireo andramena ireo ary hozakainy ireo heloka voalazan’ny lalàna mikasika izany. Ireo mpanamory ny sambo kosa dia samy nilaza avokoa fa bizina ho azy ireo ity fitaterana andramena ity, fa tsy hain’ny tompon-tsambo na baiko avy aminy ihany koa. Ho an’ny fampanovana anefa mila henoina ihany ny tompon-tsambo hahalalana ny tena marina. Voagejan’ny Fitsarana aloha ny sambo M/S INES nitondrana ireo andramena tratra ireo. Taorian’ny fanadihadiana sy fihainoana nataon’ny tonia mpampanoa lalàna lefitra faharoa ireo olona fito voarohirohy ireto, dia nivoaka ny didy savaranonandro fa miandry fitsarana am-ponja izy ireo alohan’ny fitsarana. Ankoatra izay, nambaran’ny tonia mpampanoa lalànan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, fa misy ihany koa antontan-taratasin’ady andrasan’izy ireo momba na raharaha andramena hafa avy ao Fenoarivo Atsinanana, izay mbola voageja nefa nisy nanodina.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT