Niverina nidina nijery ilay sambo kely M/S INES tratra nitondra andramena miisa 398 niainga tao Imorona Mananara Avaratra ary tonga ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina Jly Ratsironkavana Violet Clément, niaraka tamin’ny Bianco Toamasina, ary ireo fianakaviamben’ny zandary, anisan’izany ny kaompania seranantsambo manao ny fanadihadiana ny raharaha. Efa madiva ho vita ny fanadihadiana azy enina mirahalahy tratra niaraka tamin’ireo bolabola notarihan’ny komandin’ny sambo izay tompon’andraikitry ny entana nentiny, ka anio tolakandro no mety hiakatra fampanovana ny raharaha. Mifamahofaho be ihany ny resaka mikasika ireto andramena tratra ireo. Nanamafy anefa ny Jly Ratsironkavana fa “heloka bevava eto amin’ny firenena ny fikapana, famarotana, fitaterana, fanondranana ny andremana, ka tsy misy tokony ho afa-maina ireo tratra ireo”. Tsy mbola tena fantatra mazava ny saika hitaterana ireto hazo sarobidy ireto, fa ny hany fanazavana azo dia misy sambo goavana mandray azy ireo tsy lavitra ny sisin-dranomasina avaratra atsinanana. Avy eo diovina amin’ireo firenena any Afrika atsinanana toa an’i Kenya, Zanzibar, Afrika Atsimo ireo entana vao alefa any Sina, Singapour, Thailand, Japon ary any Dubai.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.