Nahavariana an’Atoa Maminirina Jean Eddy ny fahitany ny anarany tao anatin’ireo fampahalalam-baovao rehetra hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Izany no nandrisika azy tsy hangina fa nihaona tamin’ny mpampahalala vaovao taty Antananarivo teny Ankorondrano omaly tolakandro.
Fomba iray efa fanaony tamin’ny mpiara-belona aminy ny fanaovan-tsoa sy ny fanampiana olona. Fanampiana mikasika ny fitaterana ireo entana tamin’ny sambo, araka izany, no natolony ny tena tompon’ireo andramena 398 tratra tany Mananara Avaratra ireo fa tsy azy velively ireo. Izy rahateo azo hamarinina fa tsy tao Mananara velively nandritra ny volana maro. Mbola teny an-dalana ireo entana, araka ny filazany, no nahazo antso izy nanontany mikasika ireo andramena ireo ary novaliany fa an-dalana ho any Toamasina ilay sambo. Tsy araka ny filazan’ireo mpampahalala vaovao sasany mikasika ny fiantsoana azy saingy tsy nandraisany ny findainy akory. Ilay tompon’ny sambo nanao fifanarahana tamin’ny tompon’ny entana no tokony hofotorana tsara araka ny filazan’i Maminirina Jean Eddy satria io no mahafantatra marina ny tompon’ny entana. Aminy dia fanosoram-potaka izao. Raha toa ka tena tany tan-dalàna tokoa i Madagasikara dia tsy tokony hisy fisambotsamboran’olona fahatany tahaka izao fa mila fanadihadiana aloha. Vokatr’izao fanosoram-potaka sady fanalambaraka izao dia nandray andraikitra miaraka amin’ireo mpisolovavany ity mpandraharaha ity ka nametraka fitoriana ihany koa. Hatramin’izay dia nangina izy satria tsy vao sambany akory no nisy an’izao fanononana ny anarany amin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena izao fa efa nisy koa tany Sambava. Fiara be maromaro tamin’izay no tratra nitondra andramena ka voatonona tao koa ny anarany, rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy misy idirany ilay raharaha ka nafahana izy. Marihina fa olona fito no efa voasambotra ka tanana am-ponja vonjimaika ao Toamasina mikasika ity andramemana miisa 398 tratra tany Imorona - Mananara Avaratra ity, ary gejaina ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Mbola misy olona roa hafa karohina.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.