Actualités

Andramena tratra ao Manambolosy Mampiaka-peo ireo tompony


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Nogiazan’ny Fokonolona ny faran’ny herinandro lasa teo ireo bolabolana andramena miisa 657 tratra ao amin’ny trano fitehirizana entana ao amin’ny Kaominina Manalambosy, lalam-pirenena faha-5 mihazo an’i Maroantsetra.

 Eo am-piandrasana ny fivoakan’ny tatitra an-tsoratra momba ny fanagiazana dia tsy mipetra-potsiny ireo milaza ho tompon’ireto vatan-kazo sarobidy ireto. Nampiaka-peo sy nandrahona an’ireo mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpitandro filaminana nanao ny asany mantsy ireto farany ary milaza hampivory ny Fokonolona. Tsy nilefitra ihany koa ny an-daniny nahare izany, araka ny fanampim-baovao nampitain’ny mpanolotsaina teknikan’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana iraka any an-toerana, Raverason. Fantatra ary fa nanentana ny mponina any an-toerana handray andraikitra sy hiaro ireo fananam-pirenena ireo izy ireo anio alakamisy. Miantso ny fahefana foibe moa ireo tompon’andraikitra sy ny vahoaka any an-toerana hijery akaiky ny zava-misy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT