Andramena sy sambo nihitsoka ao Analanjirofo

> Tanzaniana 11 MD ao Ambalatavoahangy


  • Zoma 28 Febroary 2014

Mifamahofaho be ihany ny resaka mikasika ilay sambo nihitsoka tao Analanjirofo nentin’ireo Tanzanianina 13 mirahalahy sy Indianina iray. Voalaza mantsy fa sambo saika hamonjy an’ny Nosy Maorisy izy io no tratry ny fahasimbana ka nahifiky ny ranomasina noho ny andro ratsy tao Analanjirofo ka nihitsoka tsy afaka teo amoron-dranomasin’Antsiraka.

Voalaza ihany koa fa tsy nahitana andramena izany tao anatiny, izay mbola nohamafisin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo ny mahakasika izany, ka mahatonga ny resaka nifamahofaho be ihany ankehitriny. Misy loharanom-baovao milaza anefa fa dia nisy ilay bolabolan’andremana ary 2.034 ny isany saingy efa nesorina mialoha ary nafenina talohan’ny nahatongavan’ny zandary sy ny iraky ny Faritra Analanjirofo nalefa nanadihady (?) ireo tantsambo. Efa andro maromaro taorian’ilay sambo nihitsoka mantsy vao tonga nijery izany izy ireo na efa nampandrenesin’ny mponina manodidina nahita ny zava-nitranga aza noho ny ahiahin’ireo vahoaka manodidina ny tranga ora vitsy taorian’ilay sambo nihitsoka. Nambaran’ireo nakana ny vaovao ihany koa, fa ahoana no aty Madagasikara no mihitsoka ny sambo nefa avy any Azia ho any Maorisy ny diany ? Nahoana no ao Analanjirofo koa no nihitsoka fa tsy Faritra Atsinanana manodidina an’i Mahanoro na Vatomandry na Andovoranto ? Mila fanazavana izany. Betsaka ny ahiahy fa “saika haka andramena tao Analanjirofo ity sambo ity no tojo olana, izay ny rojo nihazona ny vatofantsikany ihany no nanimba ny “hélice”-ny nahatonga ny tsy fahafahany nihetsika intsony izao. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia olom-boatendry sy mpandraharaha maromaro no voatonontonona ao anatin’ity raharaha ity. Niakatra fampanovana ao Toamasina omaly tolakandro ireo Tanzanianina tratra tao anatin’ilay sambo nihitsoka tao Antsiraka Analanjirofo ity, izay mety resaky ny moana sy marenina ihany no hitranga noho ireto tantsambo ireto tsy mahay loatra ny teny frantsay sy teny anglisy fa ny teny swahili no tena fiteniny. Na izany aza dia fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ny 11 amin’ireo Tanzaniana, ny iray kosa marary any amin’ny hopitaly.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT