Actualités

Andramena Sarotra ny fanadihadiana, hoy ny Bianco


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011


 Hatreto dia samy miandry izay vokatry ny fanadihadiana nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, araka ny fangatahan’ny rehetra, ny amin’ireo anarana tokony havoaka ampahibemaso, voarohirohy amin’ny fanondranana andramena. Araka ny fanazavan’ny Bianco ary dia antontan-taratasy efatra no eo am-pelatanany. Araka ny fanazavana ihany dia mifamatotra avokoa ireo afera efatra ireo ka izay no maha ela ny fanadihadiana. Hatreto raha ny hita eny amin’ireo haino aman-jery dia olona 5 eo ho eo no mbola karohina amin’ity raharaha ity ary parlemantera iray ihany no vao voasambotra. Ireo dahalo ambony latabatra hafa tsy misy fantatra. Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny hivoahan’ireo anaran’ireo tena atidoha haingana fa tsy ireo madinika aty ambany.

 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT