Tena mbola mitohy ny trafikana andramena. Samy manamafy izany na ny olona mipetraka amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny na ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana miaro ny tontolo iainana, na ireo filazam-baovao vahiny, tsy mitsipaka an’io koa ny mpitondra tetezamita.
Fantatra izao fa nanjavona ny 70%-n’ireo andramena na boaderozy nogiazan’ny fanjakana. Any amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny dia taterina amina lakana ny andramena, na atsingevana miaraka amin’ny «chambre à air» na fiara be ireny, miainga any anaty ala mandeha amin’ny renirano ary mivantana avy hatrany eny an-dranomasina avy eo, dia efa miandry eo ny sambo hitondra azy. Horonantsary fanadihadiana nalefan’ny fahitalavitra Frantsay iray (France O) no nitantara an-tsakany sy an-davany ny fomba ataon’ireo olona manao ity trafikana andramena ity. Nafenina any anaty ala ny hazo efa notapahana, taritina amin’ny tady amina lalana efa ho 30 km, alefa amin’ny lakana mandritra ny ora 3, manaraka renirano, avy eo misy mandray eny an-dranomasina. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olona niseho tamin’ity horonantsary fanadihadiana iray ity dia ampy hiainana fianakaviana efa ho 10, amam-bolana maro ny vola azo amin’ny famarotana bolabolana andramena iray milanja 400 kg.
Ka raha afaka mivarotra bolabola 3 na 4 isan-taona monja izy ireo dia efa azo ambara ho milamina ny fiainany. Azo sary an-tsaina amin’izany ny vola be azon’ireo matavy hatoka afaka nivarotra andramena efa an’arivony kaontenera tany Chine. Afera nampanankarena tampoka andian’olona nandritra ny fitondrana tetezamita ity fivarotana andramena ity, ary ny rehetra dia samy mahalala fa hiparitaka izao ny vola be azo avy amin’ny varotra andramena rehefa raikitra ny fifidianana. Tsara homarihana fa kaontenera voasesika andramena miisa 3.000 no niala teto Madagasikara ka naondrana tany Chine tato anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Ny olona izay efa tany Chine ary efa zatra ny any dia mahalala tsara ilay tsena manokana tena midadasika natokana ho an’ny boaderozy avy eto Madagasikara. Tsy sarotra ihany koa ny mamantatra ireo mpandraharaha sy mpitondra fanjakana mazoto miondrana any Chine ka mandalo matetika any amin’io toerana io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.