Actualités

Andralanitra Tsy maintsy akatona amin’ny taona 2015


  • Talata 29 Mey 2012

Tsy maintsy akatona amin’ny taona 2015 Andralanitra ka afindra amin’ny toeran-kafa ny fanariam-pakon’Antananarivo.

 Fanariam-pako manarapenitra anefa no hasolo azy satria hahodina ireo fako ireo hanamboarana zezika izay akora azo avadika amin’izany. Efa tamin’ny taona 2007 no nisy ity tetikasa antsoina hoe GIDS (Gestion Intégrée des Déchets Solides) ity izay mandalo dingana maro. Efa vita ny “études de faisabilité”, izany hoe fijerena ny fahafahana manatanteraka azy ka nampandalovina sy nankatoavin’ny Kaominina miisa 13 eto Antananarivo sy ny manodidina. Toerana telo no voatazona fa hanaovana ilay tetikasa dia Antsahamarofoza (Ankadikely Ilafy), Avarabohitra (Anosiala) ary Ambohipamonjy (Ampitatafika). Efa vita ny fitsirihana ireo toerana ireo nataon’ny teknisianin’ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany sy ny AGETIPA ihany koa.

Nisy koa ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitr’ireo Kaominina ireo ny tanàna sy ny vahoaka teny ifotony nanazavana ny tetikasa. Tsy mbola misy aloha hatreto ny fanapahan-kevitra momba izay toerana hametrahana ilay fanariam-pako vaovao. Ny eo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana kosa anefa dia anefa namoaka didim-panjakana mandrara ny fanomezana ny tanim-panjakana tafiditra amin’ny tetikasa ho an’olon-tokana na ny «arrêté de gel». Efa nivoaka koa ny «enquête commodo incommodo» izay didim-panjakana manome alalana ny minisitera hanontany ny hevitry ny olona momba ny fametrahana ny tetikasa eny an-toerana. Aorian’ireo rehetra ireo, vao manapa-kevitra ny amin’ny toerana marina hametrahana ilay tetikasa sy mijery ny fepetra rehetra horaisina amin’ny fanatanterahana azy ary mitady ny mpamatsy vola

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT