Actualités

Andrainarivo Kitapo mainty nahiana ho baomba


  • Zoma 04 Aprily 2014


 Nisy nametraka kitapo teo ambany fiara mijanona amoron-dalana manolotra ny trano fonenan’ny jeneraly Ramakavelo eny Andrainarivo, amin’ny lalana mihazo ny hotely panorama, omaly tolakandro. Sendra niala minitra vitsy teo amin’ny fiara ny tompony no taitra rehefa niverina raha nahita ilay kitapo mainty teo ambany fiarany, izay nampiahiahy azy. Niantso ny hery vojitaitran’ny polisy avy hatrany izy, dia ireo indray no nampandre ny Emmo-Reg ary ireto farany no niantso manampahaizana momba ny baomba. Nobataina ilay kitapo dia nakisaka ilay fiara. Tsy nahitana zavatra mampiahiahy ilay kitapo rehefa nosavaina. Fantatra fa mpiandry no tompony, nisy nangalatra tany ho any izy io, dia napetrak’ireo jiolahy teo rehefa azony izay nilainy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT