Actualités

Andohatapenataka Nahatrarana sokatra 137 saika hamidy an-tsokosoko


  • Zoma 06 Mey 2016

Taorian’ny fikaroham-baovao nataon’ny avy ao amin’ny “section de recherche criminelle fiadanana »

 

 dia nandeha ny feo fa misy olona mivarotra sokatra avy any amin’iny faritra toliara iny eo amin’ny fokontanin’Andohatapenaka. Rehefa natao ny fanamarinana ny vaovao ka hita fa nitombina dia napetraka ny vela-pandrika rehetra hitadiavana ireo olona ireo teny amin'ny toerana nanaovana ny fampivarotana. Tratra tao an-tranona ramatoa iray ny lehilahy roa mpivarotra sy mpanera miaraka amin’ny sokatra 137. Mbola mitohy ny famotorana. Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany ireo voarohirohy. Mankasitraka feno ho an'ireo tsara sitrapo miara-miasa amin'ny fanomezam-baovao ny zandarimariam-pirenena ary mbola miantso fiaraha-miasa hatrany satria tena manana anjara toerana goavana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ny fampitam-baovao haingana sy ara-potoana.


Nangonin’i RTT

SARY

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT