Actualités

Andohatapenaka Maty notsatohan'ilay lehilahy antsy ny rafilahiny


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Zava-doza no nitranga tao Andohatapenaka. Nantsoina tovovavy iray ilay sakaizany taloha ary nilaza izy fa vonoin'ilay lehilahy miaraka aminy amin'izao ka mila vonjy.

Tonga tany an-tranon'ilay tovovavy tokoa ity sakaizany taloha ary nifankahita tao izy roalahy mpirafy. Raikitra ny ady nandritra izany ka notsindronin'ilay lehilahy niaraka tamin'ilay vehivavy tamin'ny antsy teo akaikin'ny fony ilay lehilahy sakaizan'ilay vehivavy taloha. Naratra mafy ilay lehilahy voatsindron'ny antsy ka ny Polisy tonga teny an-toerana no nitondra azy teny amin'ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy .Ilay lehilahy nanindrona antsy kosa nandositra saingy tratra teny Andohatapenaka ora vitsy taorian'ilay ady . Nosamborina moa ilay lehilahy nanindrona antsy sy ilay vehivavy ary samy natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

Hijery ny tohiny
FTT