Tovolahy iray vao 26 taona monja no maty an-drano teny Malaza ambony, ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano afak’omaly.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany atoandro no nisehoan’ny tantara. Mbola nifampiresaka tamin’ny namany roalahy, ity tovolahy 20 taona ity talohan’ilay voina. Nahita bibilava sendra nandalo anefa izy nanoloana azy ireo ka nandraoka izany ho any anaty rano. Tahaka ny nentin-javatra izy telolahy nanohy hatrany ny fandroahana ilay bibilava ka lasa nandeha nilomano tao anatin’ilay rano miakatra vokatry ny orana mihitsy hoy ny manodidina. Tsy tafavaoka tao anefa ny iray tamin’ireto tovolahy telo ireto ka izao namoy ny ainy izao. Ora telo taorian’ny nahalatsahany moa vao hita ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy moa ny ben'ny tanana sy ireo mpamonjy voina ary ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.