Actualités

Andohalo Novoriana tampoka ireo “Chef de corps”


  • Talata 03 Mey 2011


Tsy fantatra izay zava-mitranga fa tsikaritra omaly maraina ny fampiantsoana tampoka ny “Chef de corps” rehetra eto an-drenivohitra sy ny tompon’andraikitra sasantsasany amin’ny toby miaramila rehetra. Araka ny tsiliantsofina dia betsaka no efa leon’ny zava-misy amin’izao fotoana izao ny manamboninahitra miaramila. Na ireo mitana toerana aza dia misy ireo maneho hevitra amin’ireo namany.

Ny Cemgam no namory ireto tompon’andraikitra ireto. Tsy izay ihany fa na ny vatamiaramila aza dia malahelo mafy satria mijaly ny vady aman-janak’izy ireo. Sahirana ny fianakaviana miaramila amin’izao fotoana izao, araka ny loharanom-baovao. Manampy trotraka ny fahasahiranana amin’izao fotoana izao ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy tompon’andraikitra. Ny eny Andohalo somary mangatsiaka raha ny eny Ampahibe no resahina. Ny eny Mahazoarivo tsy dia marisika loatra amin’ny fifandraisana amin’ny eny Andohalo. Manoloana izany rehetra izany dia miandry izay mitarika ny Cemgam na hoentina aiza ny miaramila na ho aiza. Ho hita eo ny tohiny.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT