Actualités

Andingadingana Ambatondrazaka Nesorina ilay zaza ary nariana tany an-davapiringa


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Zazarano tombanana ho enim-bolana an-kibo eo ho eo no nisy nanary tao anaty lavapiringa tao Andingadingana Ambatondrazaka ny marainan’ny alahady 06 novambra lasa teo.

Raha araka ny fantatra dia ny Renin’io zaza io no tsikaritry ny manodidina nanao izany fihetsika mamoafady izany. Narahina porofo izany ka hita fa tsy nisy kibo intsony tokoa izy ary enim-bolana teo ho eo ihany koa ilay zaza nalany. Araka ny nambaran'ny lehiben'ny fokontany ao Andingadingana moa dia vokatry ny fandosirana adidy nataon'ilay rain-jaza no antony nanosika ity vehivavy ity hanala ilay menaky ny ainy tahaka izao ary nanary azy tany an-davapiringa. Vokatry ny vaikan’ilay fanalan-jaza anefa dia voatery naiditra hopitaly ity vehivavy ity manaraka fitsaboana. Hohadihadiana eny anivon’ny manampahefana kosa izy aorian’izany amin’ny maha-ain’olona ilay zaza tao am-bohoka nalany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT