Andian-jiolahy mpamaky trano

> Vehivavy mbola tanora no mpanome toromarika


  • Alakamisy 27 Febroary 2014

Sesilany ny fandravana andian-jiolhy ao Antsirabe amin’izao fotoana taorian’ireny fanafihana nisesisesy ireny ihany koa. Taorian’ny fandravana nataon’ny avy eo anivon’ny Zandary dia raikitra koa ny "Opération" nataon’ny polisim-pirenena.

Ity farany izay vao nahazo mpitantana vaovao ihany koa dia ny kaomisera Divizionera Talily Damy. Ny sabotsy 22 febroary lasa teo dia tratran’izy ireo ny jiolahy iray anisan’ireo nandravarava tao amin’ny Fokontany Ambohimena sy ny manodidina tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao avy tamina olon-tsotra. Niainga tamin’io ny fanadihadiana ka nahasamborana ireo namany hafa izay nahatratra valo ny fitambarany ka vehivavy ny iray, izay voalaza fa mpitarika sy mpanome toromrika na "sopapa", ireto jiolahy ireto. Raha ny fanazavana nomen’ny Kaomisera Talily Damy taorian’ny fanadihadiana dia voalaza fa mody mividy zavatra amin’ireo fivarotana hotafihina ity vehivavy ity ka mandinika ny zava-misy ao an-trano. Ny hariva dia izy no manome toromarika ireo mpanafika ary mitazana ihany koa ny mpitandro filaminana mandritra ny fanafihana ka raha vao misy atahorana dia "mi-bip" na manao "rappelle moi" izy ka mitsoaka avy hatrany ireo jiolahy. Voalaza fa izay no tsy hahatrarana ireo jiolahy hatramin’izay raha ny nambaran’ny polisy ihany. Fa tamin’ireto olona tratra ireto dia voalaza fa lehilahy iray mpividy volamena halatra ny iray tamin’izy ireo ary ny halatra azon’ireto jiolahy no jifainy ka nosamborina ihany koa. Mbola tratra niaraka tamin’ireto jiolahy ireto moa ny fitaovana nampiasainy toy ny "barre à mine" sy ny sabatra ary antsy. Tsy mbola tratra kosa ny basy fampiasan’izy ireo ka mbola mitohy ny fikarohana. Nisy ihany koa ny entana maromaro tratra niaraka tamina firavaka volamena ka rehefa fantatra ny tompony araka ny fitarainana voarain’ny polisy dia efa naverina tany aminy. Nambaran’ity tompon’andraikitra vaovao ity fa hamerina ny hasin’ny polisim-pirenena ao Antsirabe ny tenany, araka ny baikon’ny lehibeny. Hametraka fomba fiasa matotra izy mba tsy hampisy elanelany eo amin’ny polisy sy ny vahoaka ao Vakinankaratra toy ny nataony tany amin’ny toerana niasany teo aloha tany Ambanja.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT