Actualités

Andiam-balala ao Amoron’i Mania Jerem-potsiny fa lany ny fanafody


  • Zoma 10 Mey 2013

Horakoraka no heno tao Ambositra ny alarobia 08 mey lasa teo raha nahita ireo andiam-balala nandalo tao an-tampontanan’Ambositra tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro.

 Tonga ao amin’ny Distrikan’Ambositra ny andiam-balala rehefa avy namakivaky ireo Distrika roa amin’ny tapany andrefanan’ny Faritra Amoron’i Mania. Mbola ahitàna andiam-balala avokoa hatramin’izao any Manandriana sy Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavàna nomen’ny Talem-paritry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra na ny DRDR Amoron’i Mania Atoa Raveloarison Dieu Donné dia efa nisy ny hetsika famonoana kijeja na ireo zana-balala tany amin’ny Kaominina Mandrosonoro sy Mangataboahangy tamin’ny herinandro teo saingy lany ny fanafody amin’izao fotoana izao ka jerem-potsiny aloha ireo valala manidina. Tsy manana vahaolana hamonoana ireo valala manidina ireo teknisiana ao Amoron’i Mania fa ireo kijeja ihany no efa nisy maty. Manao antso avo amin’ny fanjakana foibe ireo mpamono valala any amin’iny Faritra iny mba handefa fiaramanidina mpandraraka fanafody hamonoana ireo valala ireo miaraka amin’ny fanafodim-balala hamonoana ny kijeja. Maro amin’ireo tantsaha any Amoron’i Mania no mitebiteby amin’ireto valala ireto satria mbola maro ireo vary eny an-tsaha, efa nisy ihany koa ireo voly hafa efa simban’ireto andiam-balala ireto tamin’ireo toerana nolalovany.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT