Actualités

Anandra Norbert Hofaizina ireo polisy mihoa-pefy


  • Zoma 05 Aogositra 2016

“ Izay polisy rehetra manao ny tsy mety dia tsy maintsy iharan’ny lalàna avokoa, satria tany tan-dalàna isika “,

 

 hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Atoa Anandra Norbert, omaly, nandritra ny tafa manokana nifanaovana taminy, raha nanontaniana ny tenany mahakasika ny raharaha nahavoarohirohy  polisy mpiana-draharaha iray voasambotry ny zandary voasaringotra tamin’ny fanafihana mitam-basy teny Andoharanofotsy. “ Raha toa ka meloka tokoa izy amin’ny fitsarana azy dia hibaby ny asa ratsy vitany ”, hoy ingahy minisitra hentitra, satria tsy misangy amin’ireo mihoa-pefy zatra ny lalan-dririnina ny departemanta tantanany manoloana an’ireo polisy tsy manara-dalàna. Raha ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly dia nilaza mazava Atoa minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy mora ny ady, nefa tsy miraviravy tanana manoloana izany izahay. Porofon’izany, hoy izy nanohy ny fanazavany ny nametrahana ny polisy ekonomika sy ny IGPN (Insépection Général de la Police Nationale) hanao fanadihadiana manonkana anatiny momba ireo polisy na “police de police” mba hirindran’ny asa hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny polisim-pirenena, izay fepetra tsy maintsy noraisina. Miandry izay vokatry ny asa ny rehetra satria misimisy ihany ny fahasosorana sy fahatezerana anaty fiarahamonina noho ny afitsok’ireo polisy be afera.

Eric R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT