Actualités

Analila - Mananara Avaratra Misy sambo kely mitatitra «bois de rose»


  • Zoma 26 Jolay 2013

Tany tsy misy fanjakana ! Izay no azo amintinana ny zava-misy ao Analila ao amin’ny Nosy Roger, Distrikan’i Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo.

Manjakazaka ireo mpanao trafikana «bois de rose» izay mampiasa sambo kely hitaterana ireo andramena efa tapaka ao amin’ity Nosy ity mihazo sambo lehibe miantsona eny afovoan’ny ranomasina. Efa roa herinandro no miseho ity raharaha ity ary mbola mitohy hatrany omaly. Noho ny tsy fananana fitaovana toa ny lakana mihazo ity Nosy ity dia tsy afa-manoatra fa mitazam-potsiny izay ataon’ireo mpanao afera ireo ny mpiasan’ny ala 6 mianadahy any an-toerana. Nangataka fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaha hafa ihany izy ireo fa tsy nisy mpihaino. Lasa raharahan-tokantranon’ny ministeran’ny ala irery ity resaka ity, hoy Rabemanantsoa Claude, Tale jeneralin’ny ala mitatitra ny zava-misy any an-toerana. Nomarihan’ity farany koa fa misy andramena avy aty Madagasikara voatazona ao amin’ny seranantsambo 2 ao Chine amin’izao noho ny tsy fananany taratasy ara-dalàna. Tsy manana isa na hadirin’ireo hazo sarobidy ireo anefa ny fanjakana fa raha ny tombana dia mahatratra 5 metatra ny haavony, hoy izy. Mandinika ny fepetra ho raisina manoloana ireo ny fanjakana.

 Yves 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT