Actualités

Analamanga Park Vita ny asa fanavaozana, misokatra amin’izay


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Niverina nisokatra nanomboka ny Sabotsy teo ny toeram-pialamboly sy fitsangantsanganana “Analamanga Park” ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 Raha tsiahivina dia nohavaozina tanteraka ity foto-drafitrasa ity nandritra ny 2 taona. Vola mitentina 2 miliara Ar no lany tamin’izany. Ankehitriny ahitana bungalow miisa 20 ao anatiny, miampy toerana fanaovana fanatanjahatena, toerana fanaovana fety ary dobo filomanosana. Hetsika ara-javakanto sy fanentanana ary lalao maro no nentina nanamarihana ny fisokafan’ity ivon-toerana ity, notarihan'ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina. Anisan’ny tena goavana ilay afon-dasy lehibe niarahana tamin'ny mpanakanto Mr Sayda, Raboussa, Samoela …. Marihina moa fa hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mponina ao Ampangabe, kaominina Ambalavao , ny fisokafan’ity ivon-toerana ity indrindra fa eo amin’ny resaka fihariana. Mety tsy haharaka indray mantsy izy ireo amin’ny resaka asa tanana sy fivarotana zana-boankazo…. Ho an’ny Filohan’ny Repoblika manokana moa dia fantatra fa hananganany lisea manara-penitra ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambavalavao hanampiana ny mpianatra. Hampitomboina ihany koa hoy izy ny vola fanampiana ho an’ny kaominina avy amin'ny fanjakana, indrindra fa ho an’ireo tena miasa hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina amin’ny andavanandro.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT