Actualités

Analamanga Park Nisy firehetana nampiahiahy omaly


  • Talata 12 Oktobra 2021

Nisy firehetana tao Analamanga Park omaly tolakandro, raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny governoran’Analamanga.

 Ny ala sy ny tanety manodidina izay tsy lavitra ny Bungalow VIP no may tamin'izany. Raha ny fitsirihana voalohany hita teny an-toerana izay tombanana ho niaingan'ny afo dia nisy baoritra may izay mahatonga ny ahiahy tsy hiavanana "sao" nisy nandrehitra. Efa tonga teny an-toerana ny Zandary manao ny fanadihadiana sy ny fizahana lalina. Isaorana ny vahoaka sy ny mponina eny amin'ny kaominin’Ambalavao notarihin'ny ben'ny tanana namono ny afo. Teo ihany koa ny ben'ny tanàna ao Antananarivo Renivohitra sy ny eny Tanjombato Atsimondrano nandefa ny mpamonjy voina namono ny afo ka nahafehezana tanteraka ny afo teny an-toerana. Tsiahivina fa efa nisy ny firehetan'ny tanàna toy izao tamin'ny 2017 ka nahamaizana Bungalows miisa 3 teny an-toerana ka efa nosoloina vaovao ankehitriny, hoy hatrany ny governora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT