Actualités

Analamalotra, Toamasina II Tsy handefitra ireo milaza ho tompon’ny tany


  • Zoma 25 Novambra 2022

Nametraka fitarainana any amin’ny Nonce Apostolika ny tompon’ny tany ao Analamalotra, Toamasina II, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

Tsy mandefitra manana ny rariny izy ireo Mahakasika ity olana ara-tany ity. Tany manan-tompo nefa anaovan’ny fiangonana katolika foto-drafitrasa amin’izao fotoana, hoy hatrany ny fanazavana. Nanao fitarainana teny amin’ny Nonciature Apostolika teny Ivandry omaly ny tompon’ny tany, nosoloin’ny mpitarika ny fitakiana, Be François, tena. Araka ny fanambarany taorian’ny fihaonana dia mametraka fitarainana amin’ny Nonce Apostolika eto Madagasikara izy ireo omaly 24 novambra 2022 satria noho ny antsojay ataon’ny Kardinaly sy “Vicaire Général” ao Toamasina manoloana ny tsindry ara-politika ka nametrahana vato fototra na “pose de première pierre” eo ambonin’ny tany izay “titré” amin’izy ireo ao Analamalotra. Manao antso avo ihany koa ho an’ireo rehetra lasibatra na niharan’ny karazana herisetra toy izao manerana ny nosy ataon’ny fiangonana katolika mba ho sahy hijoro sy hiady amin’ny tsy rariny toy izao. Tsy miteniteny foana izahay, hoy izy ireo, eto fa misy porofo. Any Fenerive-Est, ohatra, misy tanàna iray manontolo noravana. Any Toamasina misy tanin’olona “titré” miisa 3 nananganan’ny fiangonana katolika an-keriny fotodrafitrasa ary hakariny any amin’ny fitsarana mba hanery ity farany amin’ny alalan’ny politika. Soritanay etoana fa maro dia maro ny mpino katolika tsy miombon-kevitra amin’izao zava-misy any Toamasina izao. Tokony hikarohana vahaolana haingana raha azo atao izao raharaha izao mba tsy hisian’ny ady eo amin’ny samy mpino, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT