Araka ny naoty navoakan` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia ho tapaka
manontolo ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka ny etsy Analakely sy ny manodidina ny alahady izao. Izany dia mba ahafahana hampizotra tsara ny hetsika « RODOBE » ho fiadiana amin’ny Covid 19 sy ny homamiadan’ny NONO, izay hotanterahana ny andron’ny Alahady 6 desambra ho avy izao. Arindra toy izao manaraka izao ny fifamoivoizana: Tapaka manontolo ny araben’ny Fahaleovantena manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 01 ora folakandro. Ireo fiara avy any amin’ny Arabe 26 jona 1960 (Analakely) te-hihazo iny lalana iny dia mandray ny arabe Andrianampoinimerina (manoloana ny Lycée JJR). Ireo fiara avy any Soarano te- hihazo iny lalana iny dia mandray avy hatrany ny lalana Rainibetsimisaraka (Petite Vitesse) – Lalana Patrice Lumumba (Tsaralalana). Tapaka amin’ny am-pahany ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka, ny arabe 26 jona 1960 manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 1 ora folakandro. Hisy ny tompon’andraikitra ny filaminana izay handrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana amin’io andro io.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.