Actualités

ANALAKELY Rangahy iray tratra nisoloky volamena


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Ramatoa iray manodidina ny 40 taona teo ho eo no voasoloky volamena ka very vola 2 Tapitrisa Ar andro vitsy lasa izay tetsy Analakely.

Tonga nitory ilay lehilahy nanao izany asa fisolokiana izany tetsy amin'ny Polisin'ny boriborintany voalohany ilay Ramatoa ka nanokatra fanadihadiana iretsy voalohany. Tany Antsohihy, Faritra Sofia anefa vao tratra ilay Rangahy mpisoloky izay fantatra raha ny loharanom-baovao azo fa efa tena mpanao io asa ratsy io. Nampidirina eny amin’ny fonjaben’ Antanimora avy hatrany moa ity lehilahy ity taorian’ny nandalovany teo anivon’ny fampanoavana. Marihina moa fa ankoatra ny peratra, kavina volamena…izay hangatahin’ireo olona mandehandeha eny Analakely hovidiana amin’izao dia misy manontany vovo-bolamena ihany koa ny sasany. Tsy mijanona amina toerana iray intsony moa izy ireo fa miparitaka amin’ny faritra maro.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mpisoloky !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT