Samy mitaky ny fahadiovana avokoa ny ankamaroan’ny mpanara-baovao, raha vao navoaka tanaty tambazotran-tserasera ny endrika vaovaon’ny Zaimaika, tamin’ny herinandro.
Voalazan’ireo mpiandraikitra, tahaka ny Delege fa tsy andeferana intsony ireo mpivarotra tsy mitandro ny fahadiovana. Nambaran’ireo solontenan’ny mpanamboatra tsena fa efa tsy ao ambany intsony ny WC public. Maro amin’ireo mpivarotra ihany koa no maniry ny fikojakojana ny foto-drafitrasa sy ny fanadiovana ho ankinina amin’ny tsy miankina, raha ny fampitam-baovao voaray. Mampintaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana , indindra, amin’ny alina ka tsy vitsy ireo velom-paniriana ny hisian’ny jiro manazava amin’ireo lalana manodidina. Anisan’ny tsangambato nilokalokan’ny ben’ny tanàna ankehitriny tamin’ny fampielezan-kevitra ny famitana ity tsenan-tsakafo ity. Voalazan’ny mpivarotra iray fa efa in’efatra niova ny mpanamboatra azy vao vita ny Zaimaika. Marihina moa fa mihoatra ny taonjato iray ity tsena ity. Ny taona 1918 no nananganana ny Zaimaika, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.