Tovolahy iray milaza ho mpianatra amin’ny sampana fifandraisandavitra misandoka ho mpitsara no sady polisy no tra-tehaka teny amin’ny Esplanade Analakely afak’omaly.
Vokatry ny fitoriana napetrak’olona iray eny Besarety no nisamborana azy. Ny 27 jolay teo mantsy izy dia nandeha tao amin’ny fanaovana Karaoke iray tetsy Besarety. Nifaly tokoa ralehilahy ary nihinana izay lany sy niravoravo. Naloany tamin’ny vola devizy ireo lany rehetra tamin’io fotoana io. Rehefa lasa izy vao tsikaritr’ilay tompon’ny trano filanonana fa sandoka ireo vola devizy nomena azy. Nametraka fitoriana noho izany izy. Natao ny fikarohana ka io tratra teny Analakely io ilay tovolahy. Rehefa nosavaina ny «sac à dos» teny aminy dia mbola nahatrarana vola devizy sandoka 200 euros. Tsy vitan’izay fa mbola nahatrarana «mandat de perquisition» na taratasy ahafahana misava trano voasoniana mpitsara ary misy fitomboka mihitsy. Rehefa nofotorana ny anton’ireo ilay tovolahy dia nilaza fa entiny hampihorohoroana Sinoa ireo taratasy ireo mba hakany vola hatramin’ny 10 tapitrisa ariary enti-manana amin’ny fianarana izay ataony. Afak’omaly no natolotra ny Fampanoavana ity tovolahy ity ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izay.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.