Actualités

Analaiva-Morondava Ady tany ahiana hivadika fifamonoana


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Efa-taona miaina anaty tebiteby ny mponina ao Ampihamy, Fokontany Andranovolotaretry, Kaominina Analaiva, Distrika Morondava, Faritra Menabe.

Misy tany mirefy 400ha mahery, efa nohajarian’ny fianakaviana miisa 130 mahery sy niantohan’izy ireo ny fivelomany hatramin’ny taona 1994 ary ananan’izy ireo taratasy ara-dalàna toy ny Karatany, miampy fanomezan-dalana avy amin’ny Kaominina, Distrika ary Faritra, nefa tadiavin’andian’olona halaina an-keriny ankehitriny. Nanomboka tamin’ny 2009 ity fikasana hibodo tanim-pokonolona ity, ary tonga hatramin’ny fampiasan-kery mihitsy ny raharaha ankehitriny. Ny mampalahelo ny Fokonolona ao Ampihamy dia tafiditra anaty vela-pandrika mitsikomba amin’ny tsy ara-dalàna ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananana, satria dia ireto farany indray no mampihorohoro ny Fokonolona amin’ny basy ary mahavita mikasi-tanana ka nandratra olona mihitsy, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny solontenan’izy ireo niakatra eto an-drenivohitra hampahafantatra ny zava-misy sy itarainan’izy ireo mba handraisan’ny fanjakana andraikitra. Tsy afaka mamokatra ara-dalàna ny mponina ao Ampihamy, izay mba kely vita toy ny voly vary indray anefa dia potehin’ireo andian’olona mitady hibodo tany ireo. Ahiana hivadika fifamonoana ny raharaha raha mitohy izao, hoy ireto solontenam-pokonolona ireo satria misy fetrany ny fandeferana ka mety ho ady an-trano mahatsiravina no voka-dratsy haterak’izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT