Actualités

Ampotatsy Tolagnaro Ady tany ahiana hivadika korontana


  • Alarobia 04 Mey 2011

Tanim-bazaha taloha ao Ampotatsy ity ifanolanana ity. Frantsay no tompony, saingy efa lasa nody any Frantsa an-taonany maro izy.

 Niverina ho tanim-panjakana ilay tany, ary araka ny fantatra dia eo ambany fahefan’ny Kaominina. Rehefa izay dia Malagasy maro no nanorim-ponenana teo sy nanamaintimolaly ilay tany, taorian’ny fangatahana natao tany amin’ny tomponandraikitry ny tanàna. Tampotampoka teo anefa, nisy mpivady vahiny, teratany Indiana ary ny andefimandriny kosa teratany Frantsay, milaza fa azy ny tany ao Ampotatsy io, ary ananany taratasy mazava. Taratasy somary mampiahiahy ny mponina ihany ny mihevitra azy satria tsy mazava ny nahazoana ireo antontan-taratasy.

Nilaza ireo Fokonolona fa im-betsaka izy mivady ireto no mandrahona amin’ny hanesorana tsy misy hatakandro azy ireo amin’ny tany. Mandry tsy lavo loha noho izany ny mponina. Tamin’iny herinandro teo iny aza dia efa nisy mihitsy tomponandraikitry ny fitsarana nentin’ireto mpivady ireto hanaisotra ireo Fokonolona. Mazava anefa ny fanapahan-kevitr’ireto voatohintohina fa tokony hasehon’ireo olona milaza azy ho tompony ireo ny taratasy ara-dalàna milaza ny fahazoan’izy mivady ny tany ao Ampotatsy ipetrahan’ny disadisa. Raha mitohy ny amboletra ataon’ireto vahiny ireto, dia atahorana ny hisian’ny fifandonana.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT