Actualités

Ampitatafika Terena hanala ny entany ireo horavana trano


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013


Hanomboka anio alatsinainy raha araka ny zavatra hita sy niseho teny Ampitatafika ny sabotsy maraina lasa teo ny fandrodanana ny tranon'ireo fianakaviana miisa 150 monina ao amin'ny Fokontany Avaratetezana, Kaominina Ampitatafika, Distrika Antananarivo Atsimondrano. Ny sabotsy maraina no tonga nanome baiko ireo mponina mba hanaka ny entany rehetra tao an-tranony ny vadintany iray raha efa andro vitsivitsy ireo fianakaviana ireo no nalana tao ary mipetraka sy manorim-ponenana eny amoron’i Sisaony sy eny amoron-dalana. Tao anatin'ny tahotra no nanatanterahan'ireo mponina izany narahina fanalana ireo fantsika izay namantsihana ny trano miisa 17. Raha tsiahivina dia lasan’ny Sinoa ny tany mirefy 3 ara mahery, ao andamosin’ny toerana nonenan’ireto fianakaviana miisa 17 tsy maintsy horavana trano ireto, izay efa tao nandritra ny 53 taona. Nambaran'ilay vaditany moa fa didy ny azy ary tsy misy afaka ny handa izany ka dia samy nanala ny entany avokoa. Raha araka ny fanazavan'ireo mponina ihany moa dia tonga isak’alina mitsikilo azy ireo ireo Sinoa nividy ny tany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT