Actualités

Ampitatafika Nahitana fatin-dehilahy azon’ny harato fakana trondro


  • Zoma 30 Septambra 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly maraian teny Anjanamaitso Ampitatafika. Tovolahy iray manodidina ny 20 taona eo ho eo no hita faty tao anaty rano rehefa voasariky ny haraton’olona fakana trondro.

Raha araka ny fanazavana azo dia tena navesatra tokoa, antony nanosika ilay mpanjono nitady namana hafa nisintona azy kinanjo razana no hita tao. Mbola nisy finday iray sy kahie iray tao anatin'ny kitapon’ity tovolahy ity, antony nanosika ny rehetra hieritreritra fa mbola mpianatra izy. Na izany aza anefa dia tsy nahitana taratasy momba azy kosa tany aminy. Raha araka fantatra hatrany moa dia tombanana ho afak’omaly alina ity tovolahy ity no nisy nanary tao anaty rano taorian’ny zava-nitranga mety nahazo azy. Teo akaikin'ny fiampitana lakana moa no nahitana ny razana ary mbola tsy fantatra ireo havany hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva.
Pati
Legende : Efa nikainkona tahaka izao ilay razana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT