Actualités

«Ampitatafika mifaly… » Hoporofoina mandritra ny fetim-pirenena


  • Zoma 17 Jona 2016

Tsy avelan’ny mpitantana ny kaominina Ampitatafika handalo fotsiny ny fanamarihana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ity taona 2016 ity.

Hotanterahan’ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado sy ny ekipany ara-bakiteny ilay teny filamatry ny kaominina «Ampitatafika mifaly, mahay mankasitraka» mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena afaka andro vitsivitsy. Hanomboka ny alakamisy 23 jona, ohatra, ny kermesy fialamboly ho an’ny mponina mandritra ny 4 andro eny amin’ny tanimenabe andrefan’ny «mateza tôle». Eo ihany koa ny lalao famaranana baolina kitra iadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ny sabotsy 25 jona maraina ao amin’ny kianjan’ny depiote Lycée Faliarivo. Tsy ho diso anjara ny lafiny zava-kanto satria dia hisy ny lapihazo hafanain’ireo antoko mpihira avy amin’ny fiangonana sy artista samihafa ny sabotsy folakandro. Fanomezana manokana atolotry ny kaominina Ampitatafika ho an’ny vahoaka eny an-toerana moa ny fandefasana afomanga ny takarivan’ny 25 jona hitsenana ny fetim-pirenena ny alahady 26 jiona 2016.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT