Actualités

Ampitatafika Miezaka mitady loharanom-bola hafa ny kaominina


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

Ankoatra ny hetra izay nidinabe tokoa ny taham-pandoavana azy ho an’ny ankamaroan’ny kaominina vokatry ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19

 dia fantatra fa miezaka mitady loharanom-bola hafa avokoa ireto farany amin’izao. Ny mba hahafahana mandoa ara-dalana ny karaman’ny mpiasa no tanjona raha eo ihany koa ny mba hahafahana mijery ireo karazana fandaniana maro samihafa eo anivon’ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika Atsimondrano manokana dia fantatra fa miketrika hatrany ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina sy ireo mpiara-miasa aminy amin’izao mamaha izay olana izay. Anisan’ireny ny fampandoavana hetra ny mpivarotra isanisany ao anatin’ny kaominina ka ny an-tsasa-manilan’ireto farany no fantatra fa efa resy lahatra amin’izany amin’izao ary efa nandoa ny hetra tandrify azy entina hampiodinana ny kaominina. Na izany aza anefa hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina dia tsy nanana olana tamin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izy ireo hatramin’izay fa niezaka ny nandoa izany foana na dia teo aza ny valan’aretina Covid 19. Tsy nanana olana tamin’ny fandaniana entina hampiodinana ny kaominina ihany koa izy ireo fa niezaka tamin’izay teo am-pelatanany hatrany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT