Tamin’ny valo ora maraina dia efa nanomboka tsy nisokatra ny birao foibe ny CNaPS eny Ampefiloha omaly alatsiniainy 07 martsa 2020.
Maro tamin’ireo mpiasa no namita ny asany tao anatiny ihany saingy ny varavarana lehibe fidirana mihitsy no nikatona tsy afaka nandray olona izy ireo. Raha ny loharano-baovao azo dia fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS manoloana ny raharaha izay nahavoasaringotra ny filohany no antony fikatonana ny birao ny tontolo andron’ny alatsiniany io. Tsy mbola voafaritra mazava anefa ny fotoana handraisan’ireo mpiasan’ny CNaPS ny asany taoriana ny fikatonanan’ny birao. Maro ireo olona izay manan-draharaha teny amin’ny CNaPS no niverin-dalana noho ny fikatonan’ny toeram-piasana. Raha tsiahivina dia voatazona eny amin’ny polisim-pirenena atao famotorana arahina fanadihadina ny filohan’ny sendika ny mpiasan’ny CNaPS izay mikasika ny fivoahana antontan- taratasy nahavoatonina ny tale jerenalin’ny CNaPS.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.