Notorian’ireo mpivarotra “fripperie” sy lasopy, kojakoja fanolo amin’ny moto sy fiarakodia sns … etsy Ampefiloha eny amin’ny Tribonaly Anosy ny Sefom-pokontanin’Ampefiloha sy ireo namany, toy ny polisin’ny tsena, voalazan’izy ireo fa niantso vahoaka tamin’ny “mégaphone” mba handroba ny fananan’izy ireo sy hanao fitsaram-bahoaka ihany koa
Voalazan’ireto mpivarotra ireto fa nalain’ireto olona torian-dry zareo ireo, niaraka tamin’ny vatan-dehilahy, ny entana lafo vidy maro izay naondrana tanaty sarety kely. Tsy vitan’izany fa nampiasa hery sy nikasi-tanana ary nandratra ny naman-dry zareo anankiray izay tsy afaka hiasa mandritra ny 12 andro, araka ny taratasy fanamarinana avy amin’ny dokoteram-panjakana nambaran’izy ireo.
Mbola ampangaina ho mpanafina jiolahy sy mpanao sinto-mahery koa izahay, hoy ireto mpivarotra ireto raha tonga teny amin’ny biraon’ny Hafari Anosizato omaly, ary ny tena nahavaky fo, hoy izy ireo, dia ny fanavahana anay ho tsy mponin’ny Cité Ampefiloha ka mendrika ho roahina tsy hivarotra amin’ny faritry ny Fokontany intsony. Fantatra fa nanokatra fanadihadiana avy hatrany mikasika ity raharaha ity ny fitsarana raha vao vantany naharay ny fitoriana. Amin’ny ankapobeny aloha izany dia manampy isa an’ireo tsy an’asa marobe vokatry ny fihetsehana tamin’ny 2009 koa ireto mpivarotra nesorina amin’ny toerany etsy Ampefiloha ireto.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.