Ampasindava Bezaha

> Notafihin’ny dahalo ny 25 oktobra andron’ny fifidianana


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Very zo nitovy tamin’ny olom-pirenena Malagasy maro manerana ny Nosy ny tany amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo. Io no nambaran’ny MCT Rakotoniaina Jean Gringo Will.

Maro ireo tsy afaka nifidy noho ny tsy nahatafiditra azy ireo tao anatin’ny lisi-pifidianana na dia nisy nahazo kara-pifidianana mazava aza. Azo ambara fa lavitry ny manara-penitra iny fifidianana iny, hoy ity MCT avy ao Bezaha ity. Niharan’ny antsojay ihany koa ireo tsy mitovy firehana politika tamin’ny mpikarakara ny fifidianana tany an-toerana. Nisy ny voasoratra tao amin’ny Fokontany itoerany no voatondro ho any amin’ny Fokontany hafa lavitra ny misy azy no nifidy. Tao amin’ny Fokontanin’Ampasindava tao Bezaha aza dia notafihin’ny dahalo tamin’ny andron’ny 25 oktobra nanatanterahana ny fifidianana ka nahafatesana olona iray sy nandratrana iray hafa koa. Voatery nafindra tao amin’ny Ong PLAC, araka izany, ny birao fandatsaham-baton’io Fokontany io ka lasa nihena be tsy nifanaraka tamin’ny nandrasana ny mpifidy tonga. Manao antso avo izahy, hoy ny MCT Gringo, fa toa tany tsy misy fanjakana izany ny eto amintsika ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT