Actualités

Amparafaravola Mitety vohitra ny jiolahy


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Mahatsiaro mijaly ny mponina ao anatin’ny Distrik’Amparafaravola amin’ny afitsoky ny jiolahy.

Tsy mifidy fotoana intsony ny dahalo fa na andro antoandro na alina rehefa manafika izy ireo dia mihorohoro ny tanàna. Voatetin’ny andian-jiolahy avokoa ireo Kaominina mpamokatra vary sy betsaka omby. Vao miditra ny tanàna izy ireo dia manapoaka basy ka tsy misy sahy mivoaka ny Fokonolona, tsy mahagaga raha manao izay tiany atao eo ny jiolahy. Herinandro vitsy lasa izay dia Ben’ny tanàna teo aloha tao amin’ny Kaominina Ambodimangan’i Jesy no voatafiky ny andian-jiolahy. Naratra mafy io tompon’andraikitra ara-panjakana teo aloha io ary voatery nitsabo ny tenany eto an-drenivohittra mihitsy. Mitaraina amin’ny tompon’andraikitra mahefa, araka izany, ny mponina ao anatin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’Amparafaravola mba hijerena vahaolana mahomby hiadiana amin’ity asan-dahalo ity satria sady mambotry ny fananana no maningotra ny aina ny jiolahy. Manao ezaka ihany ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa saingy tsy mahenika ny Kaominina ny isan’izy ireo, hany ka lasa manao fangalapiery amin’ny jiolahy isan’andro izao.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT