Actualités

Amparafaravola Mihatra ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka


  • Alarobia 31 Jolay 2013


Mahatsapa ny mpitandro ny filaminana fa nisesy loatra ny tsy fandriampahalemana tany amin’ny Distrikan’Amparafaravola ka nandray fepetra izy ireo ny tsy tokony hivezivezena amin’ny alina. Manomboka amin’ny 9 ora alina izany ka tsy mifarana raha tsy amin’ny 4 ora maraina. Nambaran’ny kaomiseran’Amparafaravola, Rabenarivelo Paul, fa tanjona ny hamongorana hatramin’ny fakany ny asan-jiolahy any an-toerana ka misy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana ary ny andrimasom-pokonolona. Manantena ity tompon’andraikitra eo amin’ny fitandroana ny filaminana ao an-drenivohitry ny Distrikan’Amparafaravola ity fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho sarona ireo fositra amin’ny fampahoriana ny vahoaka ao amin’izany Distrika izany. Nomarihany fa saika ireo mpivahiny no manao asan-jiolahy any an-toerana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT