Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana intsony ve ny vahoaka amin’izao manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ? Mahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato.
Lehilahy roa voalaza fa dahalo raindahiny any amin’ny Kaominina Ankiliabo Andrefana, Distrikan’Ampanihy Andrefana no maty nolefonin’ny Fokonolona tao Reakady rehefa avy nifanjevo noho ny halatra omby. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia dimy lahy nirongo basim-borona sy lefona no nanafika tao Reakady, ny faran’ ny herinandro teo. Lasa tamin’izany ny omby am-polony. Tetsy an-daniny, tsy nanaiky lembenana ny mponina tao amin’ity tanàna ity, fa nanao ny fanaraha-dia. Raikitra ny sakoroka ary toy ireny «Westen» ireny tao amin’ny lembalemban’i Mahafaly.
Tsy fay ireto dahalo ireto fa mbola niverina tao an-tanàna indray, ka raikitra indray ny gidragidra. Voasambotry ny Fokonolona ny roa tamin’ireo malaso dimy, ka notrobatrobahan’ireo vatan-dehilahy tao an-tanàna tamin’ny lefona ary maty tsy tra-drano. Niandrasana ny fianakaviany ny razana ary tsy mbola nahazoam-baovao ny momba izany. Nisy ihany koa ny fidinana ifotony nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nizahana ny mahakasika ity raharaha ity, hoy ny fampitam-baovaonay hatrany.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.