Actualités

Ampanefy Atsimondrano Tratra ilay rangahy nanolana sy nandratra ny mpanampiny


  • Zoma 29 Aprily 2022

Tratra omaly alakamisy vao mangiran-dratsy tao Ampanefy Atsimondrano ny raim-pianakaviana iray nanolana mpanampy vaviny vao 12 taona monja.

Raha tsiahivina dia naharay fanairana sy antso vonjy maro ny InfoCom Seg nandritra ity herinandro ity mahakasika io tranga io ka nitatitra izany teo anivon'ny Fibaikoana ny Zandarimaria izay nanetsika haingana ny mpikaroka fandikan-dalàna ifotony. Mpanampy nalainy anatitra ny zanany mianatra ity zazavavy kely tsy manan-tsiny lasibatra ity. Heloka maro sosona araka izany no hanenjehana ilay nahavanon-doza sy izay niray nitsikombakomba taminy. Anisan’ireny ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Eo koa ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona, ny fanolanana ara-nofo, ny herisetra ara-tsaina. Tsy latsa-danja amin’izany ny heloka bevava feno habibiana mihatra amin'ny maha-olombelona, herisetra mifantoka amin'ny mahavavy sy maha lahy (VBG), ny fanabeazana ratsy manoloana ny zanaka nateraka, tsy fanambarana fisiana heloka bevava miseho...Niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy ary nentina nozahan'ny mpitsabo manokana ilay zazavavy izay hita fa feno ratra avokoa ny vatany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay rangahy nahavanon-doza
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT