Ankoatra ilay volamena 2,2 kg tratra tany Kaomoro tamin’ny herinandro ambony, dia nisy volamenanivoaka tany Dubaï ny zoma 18 febroary, hoy ny ampamoakan’i Fanirisoa Ernaivo omaly.
Nambarany ihany koa fa mivoaka fotsiny satria tsy manao ny asany ara-dalàna ny tompon’andraikitra ambony amin’ny mpitandro filaminana, izay notononiny mivantana moa ny roa. Misy feo mandeha fa misy karana 3 tratra ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany DST (Direction de la Surveillance du Territoire), izay voalaza fa mikasika aferana boaderozy. Mifandray amin’ny raharaha minisitra iray teo aloha sy Raissa ny raharaha volamena io, raha fanazavany, izay nilazan’ity mpanao politika mialokaloka any ivelany ity, fa fahanana lalitra ny vahoaka satria mbola miasa tsy misy ahiahy ny tena atidohan’ny fanondranana volamena satria akaiky ny Fitondrana, nanohana sy namatsy ny Fitondrana nanongam-panjakana, namatsy tamin’ny tetezamita, namatsy hamerina azy tamin’ny fitondrana, tsy sahy kitihina, ary ny tompon’ny volamena dia ny tompon’ny sary nalefany, izay tsy izy no nanome azy mivantana fa tonga tany aminy. Nolazainy, fa misy horonantsary nanomezana vola mitentina 300 000euros eo na 5 miliara Ar eo raha vola Malagasy an’ilay minisitra iray teo aloha hikarakarana ireo lehilahy 3 izay marihina fa mpitatitra ny volamena fotsiny ihany, ka nambarany fa mbola havoakany rehefa tonga eo am-pelantanany. Nametra-panontaniana moa ity olon’ny mpanohitra ity hoe: maninona tamin’ity afera 49kg ity, rehefa nalaina ireo 3 lahy, dia ilay volamena tsy azo fa tsy nomen’ny Kaomorianina. Fa maninona no tsy tany Tsiafahy fa tany Antanimora? Nisy, hoy izy, ny fifanarahana na “deal” kanefa tamin’io, kanefa ny olona rehetra tamin’ny 73,5kg izay nisy olona tsy nisy hidirany akory, izay voafako tamin’ny fandalovan’ny fiaramanidina. Manao « racket» mba hitakiana vola ny olon’ny fitondrana, saingy ilay minisitra iray teo aloha aloha no tratra. Nisy olona voalaza fa nitakiana vola izay niarahana tamin’i Raissa, ka natao ny dosie tamin’ny 2013 hoe: mpiray tsikombakomba amin’i Eddy Boaderozy, nanampy ny fandosirany. Notondroiny ho mpanao aferana tany eny amin’ny fitsarana ry Raissa, ary mivarotra izany amin’ireo karana tompona orinasa goavana malaza amin’ny fangoronan-tany eto avy eo. Tsy voatery ho marina ireny, saingy ilaina ny fanokafana ny fanadihadiana lalina sy tatitra mazava satria ny fahanginan’ny dosie dia raisin’ny olom-pirenena ho fampanginana ny afera maloto goavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.