Actualités

Amoronakona Nisy nangalatra ny fantson’ny Jirama 12 m


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Fantson-drano mirefy 12 metatra no nisy nangalatra teny amin'ny tobim-



pamokaran-drano Amoronankona, ary 6 metatra no simba nandritra ny fangalarana, hoy ny Jirama omaly 02 desambra. Tapaka arak'izany ny famatsian-drano eny Ambohimangakely sy Ambohimahitsy, izay nisitraka izany hatramin'ny niasan'ity tobim-pamokaran-drano izay mamokatra 100m³ isan'ora ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao omaly. Efa am-perinasa manolo ny very ny teknisian'ny JIRAMA amin’izao fotoana izao, ka rehefa vita izany dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsian-drano amin'ireo toerana ireo, raha ny toromarika nomena. Toy ny mahazatra, dia naneho ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana aterak'izany ary nankasitraka ny mpanjifany amin'ny faharetana ny Jirama.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT